13/04/2025
FADY fotsiny ny mandrava io Ala BAOBAB io...
Fantatry ny Firenena Amerikana izany ary hajainy izany noho izy ireo Mpandala ny fiarovana ny Vakoky ny zanak'Olombelona.
FADY ny mandrava ny Ala MIKEA.
Fantatry ny Firenena Amerikana izany ka hajainy, satria izy ireo dia miaro ny vakoka sy ny lova navelan’ny olombelona satria ALA BAOBAB efa ho 5000 taona mahery.
Fantatry ny Firenena Amerikana izany satria mety hivadika toy ny CRIME CONTRE L HUMANITE izany.
Ho hazavaiko amin'ny Mpanao Gazety androany amin'ny Record TV amin'ny 8 ora Alina ny firafitry ny GEO-ECONOMIQUE sy ny GEO-POLITIQUE.
Fa ianareo Mpiandraikitra Malagasy indray no mazoto mikiry hanome alalana ilay orinasa tsy miankina Amerikana hanohy ny fitrandrahana, na dia efa feno olana ara-teknika tsy mbola voavaha aza, indrindra eo amin’ny resaka fifanarahana ara-toekarena mitanila tanteraka, izay kely dia kely ny tombontsoa azon’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy.
Aiza ilay Minisiteran’ny Tontolo Iainana Malagasy, izay mitaraina sy miantso famatsiam-bola any amin’ny sehatra iraisam-pirenena hoe rava ny zavaboary eto Madagasikara noho ny fiovan’ny toetr’andro ?
Kanefa ankehitriny dia Ala Baobab arovana 7000ha, vakoka, ary endemika no ho potehina tsy amin-tahotra tsy amin-nenina.
Tena hoe manana lojika ve ny fitondrana eto Madagasikara sa kobaka am-bava fotsiny?
Mananjina i Madagasikara
Ny Rado RAFALIMANANA
---------------------------
Il est tout simplement FADY de détruire la forêt de MIKEA.
Les États-Unis le savent bien et la respectent, car ils défendent activement le patrimoine commun de l’humanité.
Mais ce sont vous, les autorités malgaches, qui insistez pour accorder une autorisation à cette société privée américaine, alors même que vous êtes parfaitement au courant des nombreuses irrégularités techniques non résolues — sans parler d’un accord économique complètement déséquilibré, au détriment de Madagascar et des Malgaches.
Où est donc passé le ministère de l’Environnement malgache, celui qui crie sur tous les toits, lors des sommets mondiaux, que le changement climatique ravage la biodiversité malgache, et qu’il faut des financements pour la préserver ?
Et voilà qu’on s’apprête à détruire une forêt ancestrale de BAOBAB 7000Ha, protégée, unique au monde, pour des intérêts obscurs.
Y a-t-il une vraie logique dans la gouvernance de Madagascar ? Ou est-ce encore un discours vide de sens ?
------------------------------
It is strictly FADY (taboo) to destroy the MIKEA Forest.
The United States is well aware of this and respects it, as they are a nation that values the protection of humanity’s heritage.
Yet it is you, the Malagasy authorities, who insist on granting authorization to a private American company to continue exploitation—even though you already know there are numerous unresolved technical issues. Most importantly, the economic agreement is deeply unbalanced, with Madagascar and the Malagasy people getting almost nothing in return.
Where is the Malagasy Ministry of Environment now? The same one that goes around global summits crying that climate change is destroying Madagascar’s biodiversity and begging for funds to restore it?
And now you want to destroy a protected, endemic, and 7000Ha ancestral Baobab forest?
Is there any real logic in the way Madagascar is being governed? Or is it all just empty words?