Boeny Car

Boeny Car Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Boeny Car, Car rental, Mahajanga, Majunga.

27/04/2026

🚨 FANAMBARANA : TSY AZO ATOLOTRA HO FOIBE FIKAMBANANA NY LAPAN’NY FILOHAM-PIRENENA 🚨

​➡️ Tsy ara-dalàna ny fampiasa ny Lapan’ny Filoham-pirenena Iavoloha ho foibe (siège social) amina fikambanana tsotra. Marihina fa TSY ARA-DALÀNA sy mifanohitra amin’ny lalàna velona eto Madagasikara izany noho ireto antony manaraka ireto:

​1️⃣ Ny fiarovana ny fananam-panjakana (Domaine Public):
Araka ny Hitsivolana (Ordonnance) faha 60-099 tamin’ny 21 septambra 1960, ny Lapa dia fananam-panjakana natokana ho an’ny asam-panjakana avo lenta ihany. Ny Andininy faha-2 dia manamafy fa ireny toerana ireny dia tsy azo omena na ampiasain’ny olon-tsotra/fikambanana tsy miankina ho an’ny tombontsoany manokana.

​2️⃣ Ny fitsipika mifehy ny Fikambanana:
Ny Lalàna faha 2004-036 (Andininy faha-4) dia mitaky foibe (siège social) "marina sy raikitra". Ny Lapan’Iavoloha anefa dia faritra voaaro mafy (Zone Rouge) ary tsy azo idirana an-tselika, ka tsy afaka handray ny asan’ny fikambanana tsy miankina na oviana na oviana.

​3️⃣ Fisandohana sy Famitahana:
Ny fampiasana ny adiresin'ny Fiadidiana ny Repoblika amin'ny raharaha tsy miankina dia azo sokajiana ho fisandohana andraikitra sy fampiasana hosoka, satria mampifangaro ny raharaham-panjakana sy ny tombontsoa manokan'ny olona vitsy.

​4️⃣ Fanafoanana ny taratasy (Nullité):
Na misy sonia na fitomboka aza ny taratasy iray, raha vao mifanohitra amin’ny Lalàna ambony (Ordonnance 1960) ny votoatiny, dia foana sy tsy manan-kery izany eo anatrehan’ny fitsarana. Ny Lapa dia tsy adiresy azo ampiasaina amin’ny sata mifehy ny fikambanana (Statuts).

​⚖️ Fehiny: Ny fananam-panjakana dia ho an'ny vahoaka rehetra ary tantanin'ny Fanjakana, fa tsy natao ho fialokalofan'ny fikambanana tsy miankina.

Gen Z 261
Mouvement Gen Z


​

17/02/2026
22/09/2025

Address

Mahajanga
Majunga

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Boeny Car posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category