Jean-Ba Mécano

Jean-Ba Mécano Spécialiste Boîtes de vitesse automatique

13/09/2026

Malama ny lalana vita tara rehefa merika, ampiasao ny ESP ho an'izay fiara misy azy. Ianaro tsara ny manitsaka embrayage sy frein fa mapikorisa fiara amin'ny lala-malama. Aza adino ny kodiarana sao sola Araho ary

10/09/2026

Fomba fandrefesana singa boribory amin'ny fiara. Toy ny "parehuile", "galet tendeur et glisseur" sns

09/09/2026

Tsy mety ny manao kapa mamily fiara. Aza asiana zavatra ao ambany sezan'ny mpamily. Araho ary. Partageo ity pub ity zalahy sy zavavy a.

14/08/2026

"Fuite d'huile moteur" BMW X3.
Tontosa soa aman-tsara

DIOVY NY LALAM-PIVOAHAN-TSETROKA SY NY SIVAM-POIZINA REHEFA AVY NANOLO VAVANTSIFOTRA.Miarahaba tompoko!   Rehefa maty ny...
06/08/2026

DIOVY NY LALAM-PIVOAHAN-TSETROKA SY NY SIVAM-POIZINA REHEFA AVY NANOLO VAVANTSIFOTRA.

Miarahaba tompoko!
Rehefa maty ny vavantsifotra alamai- menaka (turbocompresseur lubrifié par huile) eo amin'ny fiarakodia, dia mazava be fa feno menaka sy tsentsina ny lalam-pivoahan-tsetroka (échappement) sy ny sivampoizina (filtre particules).

Noho izany dia mila diovina izy ireo rehefa manolo vavantsifotra vaovao, mba tsy ahasimba ity farany. Ka aorinan'ny fanadiovana vao mametaka ilay vaovao.

Mila jerena tsara ihany koa, ankoatran'izay, ny lala-menaka mampalama azy mba tsy aha-mora simba ity vavantsifotra vao nosoloina ity.

Rehefa mamelona ny fiara dia mila tazomina tsy hihodina aloha ny vavantsifotra mandra-piakatry ny menaka tsara, na dia efa nampidirana menaka manokana alohan'ny hamelona aza ny vavantsifotra.

Fadio ny manafaingam-pihodina ny milina ho mafy rehefa velona sy rehefa mandefa ny fiara manao andrana(forte accélération) mandra-pahafolaka tsara azy (rodage). Tazomy eo amin'ny 1500 hatramin'ny 2500 hodina isa-minitra eo farafahamafiny (1500 à 2500 t/mn) raha solika matavy (diesel), 2000 hatramin'ny 3000 hodina isa-minitra kosa raha soli-maivana (essence). Atao mandritra ny 20 ka hatramin'ny 50km eo izany.

Izay ary no masaka fa dia mazotoa homana tompoko!

02/08/2026

Nahoana ny "pompe à main" no maivana be na mavesatra be. Araho ary

02/08/2026

Mora mipoaka ny lalotra (mastic) atao amin'ny arodòna plastika amin'ny fiara sy vatana kodiarandroa

Lasa ireto dia miditra indray ny Tiguan. Mankasitraka amin’ny fahatokisana, tompoko.
04/07/2026

Lasa ireto dia miditra indray ny Tiguan. Mankasitraka amin’ny fahatokisana, tompoko.

04/07/2026

Andri-milina simba (support ou patte moteur)

Captiva namboarina boîte automatique. Vita soa amantsara ka miandry ny tompony haka azy.
27/06/2026

Captiva namboarina boîte automatique. Vita soa amantsara ka miandry ny tompony haka azy.

Address

H 31 AA Manandona Ambohijanaka
Antananarivo
102

Opening Hours

Monday 08:30 - 16:30
Tuesday 08:30 - 16:30
Wednesday 08:30 - 16:30
Thursday 08:30 - 16:30
Friday 08:30 - 16:30
Saturday 08:30 - 16:30

Telephone

+261381103382

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jean-Ba Mécano posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Jean-Ba Mécano:

Shortcuts

Share