17/08/2026
REHAUSSAGE MAMPIASA BOUDIN MATANJAKA BE SUPER HEAVY DUTY SY CONTRE SPIRE
Rehaussage tsy midika hoe tsy maintsy avo be ny fiara. Boudin matanjaka be ny resaka eto ary samy manana ny ahavony itiavany azy. Tsy maintsy avo be ilay fiara raha vao apetaka ilay boudin matanjaka fa anjaran'ny tompony no mampidina ny ahavony amin'izay itiavany azy.
Ato aminay ny rehaussage boudin dia ny fampiakarana ny hamafin'ny boudin mba tsy halefaka amin'ny alalan'ny contre spire na ny manolo azy boudin mafy be super heavy duty. Mety hitombo be ny ahavony nefa afaka ampidinina amin'ny fomba tsotra ilay izy.
Tenue de route amin'ny conditions rehetra (lalana ratsy, vitesse, virage) ny tena tanjona ankoatra ny ahavony.
Tandremo anefa fa sao diso iva loatra fa tsy mety akatina intsony raha tsy manova boudin hafa indray.
============================
BOUDIN MATANJAKA SUPER HEAVY DUTY
============================
REKTCN RK7 ALOHA NO BOUDIN ARRIÈRE MISY FA MIANDRY KELY NY SASANY.
250 000 Ar ny pièce. Gratuit ny mametaka azy.
Tokony ho 30 min eo ho eo ny fotoana lany mametaka ny ilany.
Boudin vaovao anaty carton sady misy référence ny resaka eto fa tsy bonne occasion. Boudin personnalisé ho an'ny gasy (tsy natao ho an'ny gasy ireny fiara rehetra ireny). Boudin mafy be tsy mora tapaka sy mora bingo mety hikasoka transmission na zavatra hafa dia hanimba zavatra hafa na hamorona feo mankarenintsofina hafa koa. Boudin tsy misy soudure miafina any anatiny fa namboarina tamin'ny vy spécial ressort haute résistance mitohy be tsy misy soudure ary nahazo traitement thermique approprié tsara.
GRAND ST∆REK SY ST∆REK 12 PLACES IZAO NY MANARAKA KELY SISA LAZAINA ETO REHEFA TONGA. NATAO PRIORITÉ NY AZY SATRIA SIMBA FOANA NY PARE CHOC ARY MIKASOKA RAHA VAO MITONDRA OLONA 12 PLACES FOTSINY
Boudin arrière d'origine matanjaka tsy misy adaptation. Mbola mafy noho ny version heavy duty malaza ireny ary natao ho an'ny Malagasy satria ankoatra ny lalana ratsy vao miala kely ny axe principal -ny grande ville dia tia mitondra entana mavesatra be sy olona be dia be isika. Izay ilay fihavanana Malagasy izay tsy hitovy velively amin'ny any ivelany izay olona 3 Max no entiny ary tsy mila mitondra entana fa misy izay ilaina daholo ny toerana aleha ary tsara daholo ny lalana aleha.
Efa nanaovana andrana efa ho erintaona tamin'ny fitaterana entana mavesatra isankarazany nanaovana évaluation ny déformation permanente sy ny comportement -ny boudin rehefa ampiasaina amin'ny conditions gasy. Boudin vaovao personnalisé ny dimensions sy ny tanjany no misy ato aminay.
Ho an'ny Rexton manokana dia mpitaiza ihany koa izahay ary mahafantatra tsara ny tena olana iainan'ny mpampiasa azy rehetra. Expériences azo amin'ny fitaizana sy amin'ny maha garage anay.
Sady mafy no avo tsara amin'ilay manome bika ny fiara arakaraka ny ahavony itiavana azy. Mitombo ny tenue de route. Mety daholo na avo be midingina ny fiara na somary avoavo kely fotsiny fa arakaraka ny safidin'ny tsirairay sy ny filany io.
Stable be rehefa mandeha 120 km/h amin'io boudin vaovao io. Ny ankamaroan'ny SUV Korean rehetra somary mandihindihy kely mampatahoatra ny mitondra azy raha vao mananika ny 120 km/h.
Tsy misavoaboana incontrôlable rehefa mandeha mafy amin'ny lalana ratsy fa tena stable tsara. Ny pneu fotsiny no mitety lavaka.
Tsy mikasoka amin'ny passage de roue ny pneu rehefa mitontona lavaka tampoka indrindra fa ilay mavesatra feno entana iny.
Stable be miditra virage satria matanjaka be ilay boudin afaka miady tsara ny ballottage.
Tsy mila cale intsony mampiasa ny boudin -nay satria ny herin'ilay boudin irery ihany dia efa ampy mampiakatra ny ahavon'ny fiara.
Tandremo fa misy manafangaro amin'ny BODY LIFT ireny. Izany hoe atao fotsiny izay ahaavo ilay fiara amin'ny alalan'ny fampiasana cale fa ilay boudin taloha ihany no mijanona eo, ary feno adaptation be isankarazany izay manova tanteraka ilay fiara. Io technique io tonga dia instable be rehefa mandeha mafimafy kely fotsiny ary loza ny ballotage rehefa miditra virage. Mandihindihy be mampatahoatra ny mitondra azy amin'ny lalana ratsy.
Tsy mampiasa zanaka ressort ireny (renfort ny filazandry zareo azy) izahay. Mila adaptation be ireny ary mety hihetsika rehefa ela ny ela dia hiteraka feo mikorontana indray.
Tsy mila mampiasa kit de rehaussage lafo be ireny fa misolo ressort matanjaka be fotsiny tsy misy adaptation dia tsy atahorana hiteraka zavatra hafa. Tsy lafo ny vidiny ary natao ho an'ny ankamaroan'ny Malagasy.
Misy karazany 2 ato aminay :
------------------------------------------
VERSION OFF ROAD & UTILITAIRE :
------------------------------------------
Somary avoavo kely mety amin'ireo olona mpanao location mandeha lalana ratsy feno dongona sy mampiasa ny fiara hitantererana entana mavesatra fa tsy voatery handany vola haka bâché foana.
Mahazaka hatramin'ny 1000 kg ny pneu aoriana fotsiny (mbola mahazaka mihoatra fa sao manimba zavatra hafa indray) fa mila milamina be ny fitondra azy (accélération progressive, freinage progressive, manitsaka lavaka mora dia mora). Ankoatra ny chauffeur sy ny mpanaraka azy io lanja io. Kely fotsiny ny fihenan'ny ahavony amin'io charge io ary tonga dia miverina amin'ny laoniny raha vao miala ny charge.
Raha hanao conduite agressive hifaninana amin'ireny pont rigide malaza be ireny diae 250 kg max ny entana any aoriana miaraka amin'ny olona lehibe 4 ampovoany sy 2 eo aloha (6 izany ny fitambarany). Tandremo fotsiny fa sao tapaka ny rotule na ny bras avant fa tanjan'ny arrière izany resahina izany.
Mety hitondrana brique, ciment, vatokely na fasika amin'ny gony, carreaux, ... Izany hoe namana tsara ho an'ny fianakaviana manangana trano na misy fitaterana entana mavesatra na ny entamben'ny mpanao location nefa mila fiara avoavo.
Hafa ilay boudin d'origine raha vao hitondrana entana mavesatra miletaka be dia mijanona miletaka foana mandritra ny herinandro izay vao miverina amin'ny ahavony taloha.
------------------------------------------
VERSION REHAUSSAGE & CONFORT :
------------------------------------------
Mitovy amin'ny OFF ROAD etsy ambony ihany ny ahavony fa ny entana zakany no somary latsaka kely. Tokony tsy hihoatra ny 400 kg (ankoatra ny chauffeur sy ny mpanaraka azy io) ny pneu arrière fotsiny maximum amin'ilay mitandrina be. Efa be dia be izany ho an'ny fianakaviana tsotra na ny mpanao location koa aza afaka mampiasa azy. Mety ho an'ny famille feno mameno fiara. Resaka plaisir izany.
Raha hanaovana conduite agressive indray ilay mifaninana amin'ny pont rigide mafy be malaza ireny dia olona 7 lehibe daholo ihany no tena azo entina aminy.
ARETIN'NY REKTCN RK7 SY NY BOUDIN ARRIÈRE REHETRA :
Malefaka dia malefaka ny boudin d'origine hany ka rehefa miasa elaela dia lasa tsy mahazaka entana firy intsony. Olondehibe 2 aoriana miampy ny chauffeur sy ny mpanaraka azy dia efa miletaka be ilay fiara. Vao maika loza raha miampy zazakely 2 any amin'ny faran'ny aoriana na mitondra entana kelikely.
Misy ballotage be mihintsy rehefa miditra virage dia voatery tsy maintsy mi- ralentir be.
Misavoamboana incontrôlable ilay fiara raha vao mandeha mafimafy kely lalana feno dongona kely.
Mandihindihy mila hitsambikina ilay fiara raha vao mananika ny 120 km/h ny vitesse. Vao maika mitombo io comportement io raha mampiakatra vitesse na dia kely aza.
Mikasoka amin'ny passage de roue ny pneu raha sendra manitsaka lavaka mafimafy kely.
Sarotra be ihany ny mieritreritra ny hoe ny tena manana 4x4 nefa tsy mahazaka zanak'anabavy rehefa mankany ambanivohitra.
Ankoatra ny tsy fahazakany entana dia misy ballotage be ilay fiara rehefa miditra virage noho ilay boudins malefaka loatra hany ka lasa miasa mafy ny barre stabilisatrice mihoatra ny anjara asany. Eritrereto hoe tapaka tampoka iny barre iny ao anatin'ny virage fa tonga dia mivadibadika manao tonneau garanti ny zavatra mety hiseho.
Raha hafoezina izany dia tsy misy tenue de route tanteraka ny boudin d'origine rehefa miasa elaela kely dia lasa malefaka ankoatra izy tsy mahazaka entana firy dia raha forcer -na dia lasa mikasoka ao amin'ny passage de roue ny pneu na mikasoka ny marche pied raha vao mandingana dongona kely avoavo.
Mbola miandry ny an'ny fiara hafa. Ny an'ny grand starex izao ny ho avy manaraka. Potika daholo ny pare choc an'ireny raha vao mandeha lalana ratsy. Atao ilay avoavo afaka mifaninana amin'ny 4X4 ireny mihintsy ny ahavony.
============================
REHAUSSAGE MAMPIASA CONTRE SPIRE :
============================
Tsy manolo boudin indray fa mampiasa contre spire caoutchouc. Mampiakatra ny hamafin'ny boudin ny contre spire, dia miakatra kely 2.5 cm eo ho eo ny ahavon'ny fiara. Azo doubler -na na tripler -na raha tsy ampy ny ahavon'ny fiara. Arakaraka ny isany no mahamafy kokoa ny boudin sy ny ahavony.
Satria mitombo hamafin'ny ressort dia mitombo ihany koa ny ahavony sy ny tenue de route.
25 000 Ar ny pièce contre spire caoutchouc ato aminay. Hafa ny main d'oeuvre mametaka azy. Mila entina aty ilay fiara jerena maso ilay asa atao vao afaka manome prix an'iny.
15 min fotsiny ny mametaka azy ho an'ny fiara mora ametahana azy.
Mety aminy daholo ny fiara misy boudin rehetra. Sok
Ny Rektcn no tena ahitana azy ity. Vao mivoaka ny usine manko izy dia efa faible loatra ny boudin dia asian'ny mpanamboatra azy contre spire mba hiakatra kely ny hamafiny sy ny ahavony.
Solution mora sy haingana ny contre spire. Mety amin'ny ankamaroan'ny olona mapiasa fiara eny amin'ny arabe. Feno olona, mandeha goudron foana, mandeha mora rehefa manitsaka lavaka na casseur de vitesses. Izany hoe fampiasana fiara maivamaivana sy antonony.
Tsy mety aminy kosa ny usage agressif sy sportif, usage intensif professionnel toy ny mpanao location any amin'ny route secondaire foana, ny mitondra entana mavesatra sy olona be loatra. Tsy maintsy boudin super heavy duty no ampiasaina raha mila solution efficace sy maharitra.
Tongava aty miresaka détails ny mahakasika an'io raha misy mahaliana anareo fa manahirana ny miresaka sy manazava sady manoratra fa tsy misy tsara mihoatra ny mifanatritava.
Raha sendra tsy mbola misy mandray na elaela mbola tsy niverina ilay nandray dia aza misalasala manontany sy mampatsiahy fa zonareo izany.
Tongava aty miresaka détails raha mila fanazavana misimisy na mila torohevitra na misy cas spécial tsy voalaza etsy ambony mahazo ny fiaranareo.
Responsable foana antonona sy anontaniana ary resahina. Eny amin'ny caisse manontany raha tsy mahafantatra olona atonona.
••••• Ny tsara tsy voatery ho lafo •••••
===================
ADIRESY SY CONTACT :
===================
Tel : 034 06 574 73 / 038 19 608 92
Bypass IFARIHY Tana :
Foibe misy ny spécialisation sy fitaovana complet rehetra.
Manaja ny norme de qualité HAFI amin'ny lafiny rehetra izay tsy mitsahatra hatsaraina foana.
SITE VAO HISOKATRA :
Hisy site vaovao HAFI vao hisokatra eny Ankadindramamy ny volana Octobre na Novembre 2026 izao. Natao izany mba hanampiana ireo olona manodidina eny tsy handeha lavitra intsony.
Solon'ny site Ankasina 67 ha no tanjona noho izy mahafeno ny conditions rehetra amin'ny fanajana ny norme de qualité HAFI rehetra.
TANDREMO - SITE EFA NOFOANANA :
Tsy misy HAFI intsony Ankasina 67 ha. Nofoanana ny 07/08/26. Ilay hosokafana eny Ankadindramamy no hasolo azy.
Tsy misy HAFI intsony koa Tamatave. Efa tamin'ny 15 avril taoriana kelin'ny cyclone no nialanay tany.
Mpisoloky izay milaza azy fa HAFI any Tamatave na Ankasina 67 ha Tana.
TANDREMO - GARAGE MILAZA FA HAFI NEFA MPISOLOKY
Ireo voalaza etsy ambony ihany no garage HAFI fa ny ankoatra izay dia mpisoloky avokoa tompoko. Ireo ihany no garage manaja ny qualité de service HAFI sy ny prix abordables natao ho an'ny Malagasy izay tsy ahafoizan'ny mpankafy anay hatramin'izay ka hatramin'izao.
ORA FIASANA :
8 -> 17 h andavanandro
8 - > 15 h asabotsy
Tsy misy rdv fa tonga dia manantona.
---------------------------------
MANASA ANAO HAMAKY ITY MANARAKA ETO AMBANY ITY RAHA TE AHAFANTATRA TSARA NY MAHAKASIKA NY GARAGE HAFI
---------------------------------
FOMBA FIASA :
Tsy maintsy mifanaraka prix vao manomboka asa izahay.
Tsy maintsy atrehan'ny tompony na ilay nitondra ilay fiara na olona apetrany ny asa rehetra ataonay.
Tsy maintsy ilay olona nitondra ilay fiara niditra tato aminay ihany no afaka mitondra ny fiara mivoaka.
SPÉCIALISTE :
Spécialiste isankarazany samy hafa manana compétences sy expériences professionnelles mihoatra ny 5 taona daholo ny ankamaroany ary misy ny sasany efa ho 10 na 20 taona mahery. Ny faran'ny ambany indrindra dia 3 ans d'expériences. Ireo no manao diagnostique sy manamboatra ny fiaranareo.
Esory ao antsaina ilay hoe zazakely sy hoe tsy mahay izay ezahina aparitaka any ambadika fa na ny Chef garage (organisation classique) manampahaizana faratapony ampolotaona maro any ambadika aza tsy mbola mahafehy ny asa hainy amin'ny spécialisation ataon'ny zandriny indrindra ato aminay amin'ny spécialisation voafehiny. Any ambadika manko ny Chef garage no mahay be indrindra dia assistant sy aide daholo ny ambiny (manaonao foana ny ankamaroany raha vao tsy eo i Sefo hany ka matahoatra azy ireo daholo ny client rehetra) dia rehefa tsy voarain'ny Chef garage na tsy nandalovany fa sahirana izy (be loatra ny fiara raisiny) dia malahelo be sy matahoatra mafy sao tsy vita tsara ny asa. Ato aminay spécial sy expert efa manana expériences be no mikarakara ny fiaranareo eny fa na dia ny tanora indrindra aza.
Tsy misy olona passe partout ato aminay fa olona iray dia manana spécialisation tokana ihany. Ary io asa io ihany no ataony isanandro isanandro ato aminay.
Ireto daholo ny spécialisation an'ny spécialiste tsirairay :
- moteur
- embrayage
- train / frein / direction
- diagnostique à la valise
- injection essence
- turbo
- injecteur diesel common rail
- gestion moteur diesel common rail
- électricité auto
- parallélisme / carrossage / géométrie
- moteur mi- chauffe / fuite rano
- fiara manetroka
- performance moteur
- vérification et contrôle train AV/AR
- pompe HP
- décontamination diesel
- rehaussage par remplacement boudin lehibe personnalisé d'origine sans adaptation.
- rehaussage mampiasa contre spire caoutchouc
- vidange boite automatique à convertisseur (mbola miandry ny CVT sy double embrayage robotisée). Manana menaka haute qualité tena synthétique izahay.
Spécialiste expert tsirairay tsy mifangaro fa spécialisation tokana daholo ny ankamaroan'ireo. Voafehiny kokoa ny asa ataony amin'izay.
Noho izany tsy misy expert passe partout ato aminay fa spécialisation 1 na 2 max.
ORGANISATION :
Mifamadika ny any ambadika efa mahazatra anareo ny organisation ato aminay. Tsy olona passe partout super expert mahay ny zavatra rehetra mahakasika ny fiara ny responsable mikarakara sy mandray anareo fa mahafantatra kosa ny expert sy spécialiste tokony hi- réparer ilay aretina tantarainareo ary ny procédure sy ny règles d'intervention rehetra mahakasika ny asa rehetra ataonay.
Coordinateur ny fonction principale -ny ary manamora sy manaramaso ny fivoaran'ny asa rehetra. Any aminy daholo ny fitarainana sy fanontaniana rehetra mila valiny no apetraka. Mivezivezy mandehandeha eny ry zareo fa na izany aza tsy mahasolo ny tompony manaramaso sy miambina ny fiarany.
Raha sendra mahatsapa ianareo fa hoatra ny hadino tsy misy mpikarakara dia izy no antsoina hampatsiahivina. Anjara asany ny mitady solution amin'ny problème rehetra miseho rehetra eo.
Raha sendra mahatsapa koa ianareo fa hoatra ny tsy azoazonareo ny fomba fiasan'ilay spécialiste dia manana zo ianareo manajanona ilay asa ary mampita izany any amin'ny responsable mangataka fanazavana sy solution.
Ato amin'ny HAFI dia esory antsaina ny hoe Chef garage manampahaizana faratapony no mandray anareo amin'ny voalohany. Responsable no mandray anareo ary olona mahay lavitra noho ireny Chef garage mahay be any ambadika ireny no spécialiste mikarakara ny fiaranareo avy eo.
Misy maromaro ny responsable afaka mandray anareo. Misy samy hafa kely ny responsabilité iandraiketany fa tsy voatery hitovy daholo. Matoa milamina tsara ny asa atao aminareo dia tsarovy fa misy olona maromaro manao ny ainy tsy ho zavatra ao ambadika ao ho an'ny client rehetra. Aza ampitoviana amin'ny hôtesse ilay mi- charme sy mitsikitsiky be ireny izy ireo noho izy ireo mandray olona fa raha tsy izany dia lazainareo hoe miavona. Mandray antanana ny fiaranareo ny tena mission -ny ary manao ny zavatra rehetra mba hampilamina tsara ny réparation rehetra mba ho afapo ianareo amin'ny prestation omenay.
PIÈCES :
Manana pièces izahay indrindra fa Korean. Misy mpivarotra Korean koa akaiky anay.
Misy taxi moto miaraka miasa aminay raha misy pièces hafa tsy misy ato aminay tadiavina.
Marihina fa tsy mametaka pièces izahay raha tsy mitovy copie collé ilay vaovao sy ny vao novidina ary tsy manao adaptation izahay hoe meuler -na na souder -na na tapahana na atohy kely.
Rehefa vita ny asa dia ny client sy ny mécanicien no miaraka manao essai. Essai akaiky ihany fa tsy mahazo mandeha lavitra.
Misy pièces qualité premium ato aminay. Échantillons apetrakin'ny fournisseur miaraka miasa aminay izay afaka namaly anay mahakasika ny fijalian'ny client amin'ny pièces ratsy. Efa nanaovana test sy essai fa tsy ireny karazana pièces mora simba ireny fa tena mateza tokoa ary manana durée de vie mateza.
Ny avantages ny pièces premium ato aminay dia azo ampitoviana tsara hatreny amin'ny fiara na apetaka mihintsy raha tsy miteraka fahasimbana ny mametaka azy ary azo averina eo no eo raha tsy mety. Tsy misy hoe ENTANA EFA LAFO TSY AZO AVERINA NA SOLOINA intsony. Ny sasany aza azo entina mandeha mihintsy.
PRIX (mila manontany détails) :
Mila mifanaraka tsara ny prix vao atomboka ny asa.
Tsy dia lafo prix izahay ary mety ho mora mihoatra ireny amin'ny sisiny ireny.
Ohatra :
- 5000 Ar ny vérification sur fosse train avant izay afaka jerena miaraka amin'ny tompony ao ambany fiara. Esorina amin'ny main d'oeuvre (lasa gratuit) io rehefa tonga dia amboarina eo no eo ilay fiara.
- Réparation turbo 100 000 Ar
- Tarage injecteur électronique 15 000 Ar par injecteur
- boudin paire arrière super heavy duty ana RFKTCN RK7 dia 500 000 Ar fotsiny miaraka amin'ny mametaka azy.
- vidange boite automatique avec machine 450 000 Ar efa miaraka amin'ny menaka synthétique qualité premium.
- Parallélisme avant avec ordinateur 20 000 Ar ny pneu par 14, ...
FACEBOOK :
Manantona garage HAFI akaiky anao no tena tsara indrindra (indrindra bypass fa eny ny foibe), dia afaka manontany ireo olona efa mpanao fiara ato aminay fa ho afapo ianareo.
Fadio ny manontany facebook satria communauté tsy réel ny any fa virtuelle ary efa manipulée -ny influenceur isankarazany ny any. Ny aty amin'ny garage tena olona physiquement réel ary tena informations réelles tsy misy manipulation no azonareo.
Raha misy fanaratsiana mahakasika anay any ka mety hiteraka doute ao aminareo dia aza misalasala manontany anay direct ny zavatra niseho marina fa matetika izy ireny zavatra tsy nisy akory. Vitsy dia vitsy no nisy marina fa matetika ilay olona mihintsy no manana mauvaise foi dia mivadika amin'ny teniny dia tezitra mafy rehefa tsy mety ambakaina izahay.
OLONA AFAPO :
Tsy misy olona afapo izany ka handany fotoana hitety groupe isankarazany any amin'ny Facebook hanatsara hoe andana mankany amin'ny HAFI. Tsy hamaly anao izy ireo raha tsy anontaniana direct ary aty amin'ny garage HAFI ihany no ahitana andry zareo.
Izahay koa tsy hanome toky na handresy lahatra anareo hoe tongava aty aminay fa izahay no tena mafy be. Ny toky azonay omena dia hoe hanao izay rehetra tratran'ny herinay izahay mba ho sitrana soa amantsara ny aretina nentinareo ho tsaboina aty aminay.
FITAOVANA :
Ny garage HAFI dia isan'ireo garage Malagasy manana fitaovana complet sy arifomba ary miezaka hatrany ny hanatsara izany.
Tsy mampiasa pont élévateur izahay ary tsy hampiasa izany mandrakizay satria betsaka ny accident miseho amin'ireny ary efa nahita maso indroa fa tsy tantaraina intsony. Miala tsiny indrindra ho an'izay mpankafy ireny fitaovana ireny. Manahirana ny hiady sy hi- rembourser ny zavatr'olona simba ankoatra ny accident izay mety hitarika fahafatesana ho an'izay manodidina azy akaiky.
TOERANA IASANA :
Ny toerana hiasana moa dia madio sy milamina. Tsy hatahorana hisolitoka menaka ny kiraro fa afaka mivezivezy tsara. Tsy misy fotaka koa. Misy hangar vitsivitsy aro orana sy alokaloka ho an'ny bypass.
Misy chalet sy toerana ary seza fipetrapetrahana koa ato aminay. Misy sakafo maivana sy boisson hanalana hetaheta.
Misy latabatra sy source courant azo hiasana tsara ho an'ireo afaka manao télé travail na asa tsy maintsy vitaina nefa ny fiara tsy maintsy amboarina.
Malalaka ny toerana azo hilalaovan'ny ankizy ho an'izay tsy maintsy mitondra ny zanany.
FITARAINANA :
Raha misy zavatra hafahafa tsy azoazonareo tsikaritra ataon'ny mécanicien ato amin'ny HAFI dia aza mangataka andro miantso responsable avy hatrany mangataka hijery izany sy fanazavana.
Raha tsy mahafapo ny valinteny omen'ny responsable dia afaka miantso ny laharana 034 06 574 73 na ny laharana 038 19 608 92.
Tsy resaka fanimbana olona ny tanjontsika manao izany fa hanatsara zavatra sy hanitsy ny tsy mety.
Izahay ato amin'ny HAFI dia vonona hatrany ny hihaino anareo ary hitondra vahaolana amin'ny olana mety hiseho raha avy aty aminay ny tsy fetezana.
Misaotra tompoko.