08/07/2021
Réseau chauffeur Mpanendaka
Mino aho fa hanampy olona maro tsy hidi-kizo amina voiture de location mpanendaka ity tantara ity.
Andeha vacances foulpointe ny programme anay mianakavy kely. Ratsy ny lalana ka tsy afaka nitondra ny fiara kelinay fa naka voiture de location (Starex 12 places) hitondra anay miainga tanà makany foulpointe dia miverina tanà.
Nisy fiara efa raikitra, an’olo-pantatra no tokony hitondra anay fa au dernier moment nisy problème ilay fiara dia tsy maintsy nikropaka nitady indray. Dia nahita tato amin’ny facebook dia raikitra fa depart tanà amin’ny 8h alina.
Nisy fianakaviana tsy niaraka niainga taminay tanà fa efa niandry tany tamatave dia niara nandeha foulpointe fotsiny avy eo.
Tamin’ny nandeha dia nilamina tsara, tsy nisy olana teny an-dalàna.
Nilamina tsara ny vacances, fa nohon’ny vita vacances ka hody amin’izay dia teo no tena nanomboka ny tantara.
Teo amin’ny famatorana entana dia tsy nafatotry ny chauffeur tsara ny entana. 5km alohan’ny hidirana an’I Tamatave no hitan’ilay fiara niaraka taminay fa nisokatra ny lamba manarona entana. Dia nijanona dia namboarina, 1km alohan’ny hidirana an’I Tamatave avy any foulpointe indray dia nisokatra indray ilay izy. Nanomboka nimenomenona izahay hoe afatory tsara ilay entana manjary mijanona foana, dia izay vao nafatony tsara. Mety hoe details kely io partie io fa tena important be amin’ny zavatra niseho avy eo.
Nanomboka teo foulpointe dia miantso tsy mijanona ilay chauffeur manome ny localisation anay. Ny toerako eo amin’ny seza ampovoany ao arinan’ny chauffeur mihitsy. Hitako izy à chaque fois mandefa message, dia misy miantso indray, dia manome localisation. Mbola tsy taitra izahay teo fa neverinay fa hoe tompon’ny fiara no miantso azy à chaque fois.
Nandeha ihany dia ilay fianakaviana nitondra fiara no teo aloha fa izahay kosa nanaraka tato aoriana. 17h30 izahay niala tamatave.
25km avant brickaville no appel any farany niteny hoe efa hiditra brickaville zay zao dia tsy niteny intsony izy, sady tsy niresaka taminay intsony nefa olona be resaka be no hita hoe somary stressé. Dia 4km après misy passage amina lalana ratsiratsy izay dia tsy maintsy mandeha mora ny fiara, somary lasa alohaloha ilay fianakaviana teo aloha, ilay Starex kosa tena mandeha mora kely mihitsy. Tampoka teo amin’izay nisy olona nifikitra teo amin’ny tohatra ilay avy ao ariana, heureusement somary nilatsaka tampoka ilay fiara dia ny tanany avia ihany no naharay an’ilay tohatra dia tsy tafiakatra izy fa niala fotsiny sady nitsoaka. Nikropaka izahay, ilay chauffeur kosa tsy taitra mihitsy, ohatran’ny hoe manao fanahiniana mody fanina. Asaina mandeha aingana izy tsy mandeha raha tsy efa nivazavaza be daholo izahay tao anaty fiara. Tsy nklaxonne akory izy mba niantso ilay fiara teo aloha fa izaho no nanakatra ny klaxonne avy aty aoriana.
Mbola tsy tonga saina aloha izahay teo hoe tao anatin’ilay coup izy fa neverinay fa stressé ohatranay rehetra fotsiny. Tsy mbola nijanona teny andalana izahay fa nifanaraka aloha hatreo brickaville dia lasa ilay Starex indray no teo aloha fa ilay fiara niaraka taminay no tao aoriana.
Nanomboka somary frustré amin’izay ilay chauffeur. Tonga teo Brickaville, reaction normal ana chauffeur raha nisy saika hiakatra tao amin’ny fiara dia tokony hoe mijery ny état an’ny coffre arière sy fitaratra sao vaky, ny tohatra, etc… Fa izy kosa vao tonga izahay dia namono moteur izy dia tsy hita izay nalehany. Dia nanomboka niresaka izahay hoe ahoana ilay teo, efa 5mn après izy vao nipoitra avy any. Sady ohatran’ireny tsy nisy inoninona ireny.
Niala brickaville amin’izay izahay dia nisy fiara nanaraka, efa elaela vao hitanay hoe misy fiara nanaraka. Ilay chauffeur kosa mandinika retroviseur foana, ohatran’ny hoe miandry signal izany. Mandeha mafy zahay dia mandeha mafy koa ilay fiara ao arina, mandeha mora zahay dia mandeha mora koa izy. Dia nosakanana gendarme izahay dia manao fanahiniana mody tsy mahita an’ilay papier sasany izy mba hijanonanay elaela teo.
Tonga teo antsampanana amin’izay dia nijanona tery alohaloha anay tery ilay fiara nanaraka anay, dia nivoaka izahay lehilahy niresaka, niala lavitry ny fiara izahay, nandeha nidina dia iny fa nanaraka anay ilay chauffeur, niverina niakatra indray izahay, iny fa mbola nanaraka ihany sady mody nitsofoka tao amin’ilay mpivarotra teo akaikinay, hita hoe mihaino resaka.
Niantso gendarme namana izahay hoe hafahafa ilay chauffeur dia misy fiara manaraka izahay, dia ilay gendarme niconseillé hoe aza mikropaka fa raiso ny numéro an’ilay fiara manaraka dia omeo anay fa tazomina amin’ny poste manaraka. Nandalo teo amin’ilay fiara izahay nefa, tsy misy numéro na aloha na ariana ilay fiara. Vao maika nitaintaina izahay, dia efa tanaty fiara moa dia message no niresahako tamin’ilay gendarme namana. Noteneniko azy ny modèle an’ilay fiara nanaraka sy ny lokony, dia aleo fa jerena hoy izy. Fa nanomboka hitan’ilay chauffeur hoe fantatray ny tiany atao dia nandefa message izay izy, dia tsy nanaraka anay intsony ilay fiara.
Nony afaka an’antsampanana amin’izay dia nisy poste ana gendarmerie dia noteneniko hoe ajanony eo am gendarmes eo fa poritra be aho nefa tsy tiako mijanona ankebakeban-tany fa aleoko miresaka amin’ilay gendarme sao manana WC zareo, saika tsy nety nijanona izy raha tsy efa nivazavaza ny iray fiara. Dia nivoaka aho nanontany WC an’ilay gendarmes ary tena tsy haritr’ilay chauffeur fa nivoaka koa izy nihaino ny resako tamin’ny gendarme no mody nindrana WC koa.
Nanomboka teo dia hita hoe natahoatra izy, nandeha à Vitesse moyenne de 80/90 km/h izahay hatraty tanà nefa talohan’izay dia Vitesse moyenne ana 40/50 km/h no nataonay.
Mba tsy nisy naninona aloha izahay tao anaty fiara, ny entana tsy nisy very.
Ny antony hanoratana ny tantara dia mba hampitandremana antsika rehetra manao location ana fiara. Fantaro tsara ny mombamomba ny chauffeur mitondra anareo, mangataha CIN na Permis alohan’ny hiaingana fa zo anareo izany. Raha afaka manao contrat dia manaova contrat mazava tsara. Miantsoa olona matetika hoe aiza no misy anareo sao sanatria sanatria misy zavatra miseho ka tsy misy mahalala. Mitondrà téléphone iray spéciale chargé, misy crédit hiantsoana foana sao sanatria.
Dia samia mailo foana eny an-dalàna !
Loharano: TMR
Sary fanehoana nindramina