18/06/2024
Misaotra ny Ministère Mpiahy namoaka izao fanambarana izao, mino izahay AUTO ECOLE fa hitsahatra hatreto ny fanaovana publication eto @ tambazotra Facebook milaza fa mampianatra mamily fiarakodia izay tsapa sy hita fa nirongatra tokoa tato ho ato raha tsy hiteny afa tsy ny eto andrenivohitra fotsiny. Mazava araka ity fanambarana ity fa tsy misy afaka manao izany asa izany raha tsy ireo izay nahazo alalana avy @ Ministère. Miandry koa anefa izahay izay sazy tokony hampiarina @ ireo rehetra izay minia mandika izany.