17/08/2026
Resaka embrayage
RAHA TSY MAHAY MAMPIASA EMBRAYAGE IANAO , DIA METY HAMPIJALY NY MOTEUR SY NY BOÎTE DE VITESSE NY MOTO-NAO IANAO?
Maro no mahay manindry ny levier embrayage, nefa mbola tsy mahafantatra hoe inona marina no asan’izy io.
Inona no atao hoe Embrayage?
-Ny embrayage dia ilay pièce mampifandray sy manasaraka vetivety ny herin’ny moteur sy ny boîte de vitesse.
Azavaiko Tsotra ny fahazoanao azy:
-MOTEUR , EMBRAYAGE , BOÎTE , ROUE
Rehefa tsindriana ny embrayage , misaraka vetivety ny moteur sy ny boîte.
Rehefa avotsotra moramora ,dia mifandray indray izy ireo.
Tena ilaina izy io satria :
Rehefa hampiditra na hanova vitesse ianao, dia mila manasaraka vetivety ny moteur sy ny boîte mba hahafahan’ny changement de vitesse mandeha milamina tsara.
Ohatra hoe:
Embrayage , 1ère , avotsotra moramora , accélérateur , miroso moramora ny moto.
Ary rehefa: 1ère na 2ème dia:
Ahena ny accélérateur , embrayage , ovaina ny vitesse , avela moramora indray , accélérateur indray aveo.
Tokony hotadidinao foana :
-Ny boîte de vitesse no misafidy ny rapport.
-Ny embrayage kosa no mampifandray sy manasaraka ny herin’ny moteur amin’ny boîte de vitesse.
Izany no mahatonga azy ho tena zava-dehibe amin’ny :
-Départ
-Changement de vitesse
-Fijanonana
Fampitana tsikelikely ny herin’ny moteur
Raha tsy mahafehy azy ianao, dia mety hisy à-coup, mety hampitombo ny fahasimban’ny embrayage, ary mety hahatonga ny conduite tsy milamina izany ka mila mahafehy tsara.
Ka tadidio foana:
EMBRAYAGE = MAMPIFANDRAY na MANASARAKA
BOÎTE DE VITESSE = MISAFIDY VITESSE
Raha vao azonao io fototra io, dia ho mora kokoa aminao ny mianatra mitondra moto misy vitesse.
Centre Moto Conseil
Vonona hanome conseil sy hanampy anao amin’ny tsy fahalalanao izahay
Mianara mikarakara moto, mba tsy hiandry ho simba vao manamboatra.
NDAO HIANATRA HIKARAKARA EE🔥🔥🔥