02/12/2024
Miarahaba antsika rehetra
Tahaka ny ezaka fanao isan-taona dia mikarakara hetsika fanasoavana ny vondrona "Kia Pride Madagascar Officiel" ka ireto avy ny mombamomba izany :
- Daty : Alahady 22 Desambra 2024
- Toerana : Akany GILPINE Ankadivato. Io Akany io dia mikarakara sy mitaiza zaza amam-behivavy niaran'ny herisetra isan-karazany (ara-tsaina, ara-batana, sns...)
- Hetsika : Fanolorana akanjo, kiraro, PPN ho an’ny Akany GILPINE (Vary, menaka, siramamy, sira, savony, labozia, voamaina,...)
Koa manentana antsika rehetra ary : Andao hiara hanolotra izay voarambin'ny tànana hoazy ireo.
Ahafahana manangona ireo zavatra voalaza eo ambony ireo, dia hisy fihaonana izay hotanterahana :
- Daty RASSO : ny Alahady 15 Desambra hoavy izao
- Toerana : Ambohitrimanjaka manomboka amin'ny 1 ora sy sasany tolakandro
- Amin’io fotoana io no Handraisana izay voahangontsika rehetra : akanjo, kiraro, PPN (Vary, menaka, siramamy, sira, savony, bougie, voamaina)
- Azontsika atao ihany koa ny mandefa lelavola amin'ny alalan'ny Mobile money, indrindra ireo izay tsy afaka hamonjy ny fihoanana ny alahady 15 desambra, amin'ity laharana ity : 038 23 723 33 @ anaran'i Nambinina Sannay, asiana référence hoe "Gilpine" rehefa mandefa azy.
Manentana antsika noho izany fa dia ho raisina an-tanan-droa izay voatolotrin’ny tsirairay amin'io fotoana io.
" Main dans la main, soutenons GILPINE" satria « sambatra kokoa izay manolotra noho izay mandray »