STD Pièces détachées Poids lourds

STD Pièces détachées Poids lourds Vente de pièces détachées neuves de marques pour les poids lourds. Adresse: Immeuble ZIMCO Ambohimangakely

Salama e! Aiza daoly ilay nanontany pompe de gavage ho an'ny Renault ireny? Tonga ary izy ity ka tongava dieny zao eny a...
17/09/2026

Salama e!

Aiza daoly ilay nanontany pompe de gavage ho an'ny Renault ireny?
Tonga ary izy ity ka tongava dieny zao eny amin'ny tranom-barotra STD Ambohimangakely na afaka miantso avy hatrany.

📞 034 07 219 53 / 032 07 219 53

Nahoana no "mavesatra" na mangovitra ny direction-nao?Raha mahatsapa ianao fa mila hery be vao mahodina ny volant rehefa...
11/09/2026

Nahoana no "mavesatra" na mangovitra ny direction-nao?

Raha mahatsapa ianao fa mila hery be vao mahodina ny volant rehefa manao manœuvre, na misy feo hafahafa rehefa ahodina izany, jereo aloha ny rotules de direction sy ny barre d'accouplement!
Famantarana 3 mampiseho fa misy simba ireo piesy ireo:
1️⃣ Pneu mihinana sisiny : ny lelan'ny pneu anatiny na ivelany ihany no lany haingana.
2️⃣ Volant mangovitra : tsapa amin'ny tanana ny hovitra rehefa tratra lalan-dratsy na amin'ny hafainganam-pandeha ambony.
3️⃣ Misintona ny fiara : tsy mihazona lalan-mahitsy ny fiara fa mizotra miankavia na miankavanana.

💡 Ny risika : Raha vao malalaka na mihetsiketsika kely io rotule io, dia manimba ny pivot, ny pneu, ary mety hahatonga fahatapahana amin'ny lalana!

⚙️ Misy avy hatrany ato amin'ny stock S.T.D ireo piesy ireo: rotules, barres de direction, sy piesy de suspension, mateza ary tsara kalitao.
📍 Immeuble ZIMCO Ambohimangakely (An-dafin'ny GALANA Soava)
📞 034 07 219 53 / 032 07 219 53

💡 Ampio fitaovana matihanina ny garage-nao!Tsy mila maminavina ny fahasimbana intsony ianao. Ireto ny appareil de diagno...
09/09/2026

💡 Ampio fitaovana matihanina ny garage-nao!
Tsy mila maminavina ny fahasimbana intsony ianao. Ireto ny appareil de diagnostic vaovao be ato amin'ny S.T.D. ho an'ny fiara, moto, ary poids lourd!

💻 ANCEL DS300:
Ho an'ny karazana fiara rehetra. Mamaky sy mamafa codes défaut, mijery données en direct ary manao diagnostic feno.
🔋ANCEL MT500:
Ho an'ny kodiaran-droa rehetra. Diagnostic lalina ho an'ny rafitra rehetra amin'ny kodiaran-droa.
🔋 ANCEL BST500 (Tester de Batterie sy Circuit 12V/24V):
Ho an'ny fiara sy ny fiara vaventy (Poids Lourd). Hitsapana amin'ny fomba mazava ny tanjaky ny batterie, ny démarreur ary ny alternateur miaraka amin'ny impression ticket avy hatrany.
🔌 ANCEL AD410 Pro (Scanner OBD2 & Batterie)
Mora ampiasaina sy haingana amin'ny famantarana ny voyant moteur sy ny fahasimban'ny système OBD ho an'ny fiara.

💡 Mora ampiasaina, marina tsara ny valiny, ary tsy mandany ny andronao!
⚙️ Misy avy hatrany amin'ny stock ato amin'ny S.T.D!
📍 Immeuble ZIMCO Ambohimangakely (An-dafin'ny GALANA Soava)
📞 034 07 219 53 / 032 07 219 53

🚨 Mitanila ve ny kodiarana-nao? Tsy ao amin'ny kodiarana ny olana.Kodiarana lany tsy ara-dalàna, volant mihovitrovitra, ...
04/09/2026

🚨 Mitanila ve ny kodiarana-nao? Tsy ao amin'ny kodiarana ny olana.

Kodiarana lany tsy ara-dalàna, volant mihovitrovitra, na kamiao misintona mankany amin'ny ilany iray? Matetika izany dia famantarana fa misy simba eo amin'ny train roulant.

Ireto ny piesy 5 tsy maintsy jerena eo amin'ny châssis 👇

1️⃣ Rotule de direction :
Raha misy fihetsehana (jeu) eo aminy dia mahatonga fahalanian'ny kodiarana haingana sady tsy mitovy.
2️⃣ Amortisseur :
Ny menaka mitete dia mahatonga fitsambikimbikinan'ny fiara ary lasa mikapoka ambany ny châssis.
3️⃣ Lame de suspension :
Ny lame milentika na misy triatra dia mampikorotana ny fiara sady mahatonga ny entana tsy hifandanja.
4️⃣ Coussin d'air:
Rehefa mihena ny rivotra dia milentika ny aoriana manontolo.
5️⃣ Silentbloc :
Rehefa reraka izy io, dia mahatonga hozohozo tsy mitsahatra sady manimba tsy an-kijanona ny géométrie.

💡Mbola lafo lavitra noho ny fikojakojana ny suspension ny fividianana pneu vaovao. Ny fikojakojana ny tena fototry ny olana no miaro ny fiaranao.

📍 Tongava aty amin'ny tranom-barotra STD, misy ato aminay avokoa ireo pièsy ireo.
📞 Antsoy avy hatrany ny : 034 07 219 53 | 032 07 219 53

Salama e!Entana vaovao be indray ity entinay aminareo ity: Durite Turbo Ottotechnic natao ho an'ny kamiao SCANIAAfaka mi...
02/09/2026

Salama e!
Entana vaovao be indray ity entinay aminareo ity: Durite Turbo Ottotechnic natao ho an'ny kamiao SCANIA

Afaka miantso avy hatrany raha tsy afaka mandalo mivantana
📍 Immeuble ZIMCO, Ambohimangakely (Anatrika GALANA Soava)
📞 034 07 219 53 | 032 07 219 53

🚛

Salama e! 👋Mila fiarovana amin'ny hafanana be ve ny moteran'ny fiaranao? Tonga ato amin'ny STD indray ny:❄️ Refroidissem...
27/08/2026

Salama e! 👋

Mila fiarovana amin'ny hafanana be ve ny moteran'ny fiaranao? Tonga ato amin'ny STD indray ny:
❄️ Refroidissement d'Huile (Radiateur d'Huile) ho an'ny SINOTRUK

-Miaro ny motera tsy hafana be lotra (surchauffe) izy ity.
-Mitazona ny solika amin'ny maripana mety tsara, natao ho an'ny kamiao HOWO sy Sinotruk.

Kojakojao dieny izao ny fiaranao, tongava malaky aty amin'ny STD!

📍 Immeuble ZIMCO Ambohimangakely (En face GALANA Soava)
📞 034 07 219 53 / 032 07 219 53

Salama e! 👋Ity indray ny tolotra ho antsika mpikirakira fiara vaventy amin'ity herinandro ity:🔩 Kit Piston, Segment sy C...
25/08/2026

Salama e! 👋

Ity indray ny tolotra ho antsika mpikirakira fiara vaventy amin'ity herinandro ity:
🔩 Kit Piston, Segment sy Chemise 102mm (Dongfeng)

-Efa fantatrao ny kalitaon'ny entana sy ny faharetany ato amin'ny S.T.D
-Misy fihenam-bidy -40% be izao izy ity hatramin'ny asabotsy

Kojakojao dieny izao ny fiaranao, tongava malaky aty amin'ny S.T.D fa voafetra ny tahiry!

📍 Immeuble ZIMCO Ambohimangakely (En face GALANA Soava)
📞 034 07 219 53 / 032 07 219 53

Salama e! Ity indray ny entana vaovao be ato amin'ny S.T.D fa tonga oh: Pompe de Gavage Mercedes Benz Atego! 🚚✨Raha misy...
19/08/2026

Salama e!
Ity indray ny entana vaovao be ato amin'ny S.T.D fa tonga oh: Pompe de Gavage Mercedes Benz Atego! 🚚✨

Raha misy olana amin'ny fampidirana solika na fiaingana ny kamiao-nao, dia ity no fitaovana ilainao:

⛽ Pression ara-dalàna: mampiditra tsara ny solika mankany amin'ny injection.
⚡ Démarrage haingana: mampiainga mora ny motera ary misoroka ny fahatapahan'ny solika.

Aza miandry ho maty an-dalana vao manolo, tongava malaky aty amin'ny S.T.D Pièces Détachées!

📍 Immeuble ZIMCO Ambohimangakely (En face GALANA Soava)
📞 034 07 219 53 / 032 07 219 53

Maka aina kely aloha rahampitso dia alatsinainy indray ary miona e!
14/08/2026

Maka aina kely aloha rahampitso dia alatsinainy indray ary miona e!

Salama eh!👋 Mbola hiresaka hisatra hatrany isika.Ity regleur de frein 10 dents ity indray no entinay, izay tsy afa-misar...
06/08/2026

Salama eh!👋

Mbola hiresaka hisatra hatrany isika.
Ity regleur de frein 10 dents ity indray no entinay, izay tsy afa-misaraka amin'ny poumon de frein.
Raha tsikaritrao fa efa malalaka loatra ny hisatra na tsy mahazona tsara intsony ilay kamiao rehefa mijanona, avy hatrany dia soloy ny regleur de frein!

Entana vaovao hatrany, azo antoka ary tsara kalitao no atolotray anao

📍Immeuble ZIMCO Ambohimangakely (En face GALANA Soava)
📞 Afaka miantso avy hatrany : 034 07 219 53 / 032 07 219 53

Address

Immeuble Zimco, En Face Galana Soava, By-pass Ambohimangakely
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 17:00

Telephone

+261340721953

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when STD Pièces détachées Poids lourds posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to STD Pièces détachées Poids lourds:

Shortcuts

Share